I Azia na Asia dia kôntinenta ahitana firenena miisa 46, izay voafaritry ny Ranomasimbe Arktika ao avaratra, ny andilan-dranomasin' i Bering sy ny Ranomasimbe Pasifika ao atsinanana, ny Ranomasimbe Indiana ao atsimo, ary ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasina Mediteranea ao atsimo-atsinanana. Ny efitra manasaraka an' i Azia sy Eorôpa dia nifanarahana fa ny tendrombohitra Oraly (Ural). Raha heverina ho kôntinenta iray i Azia sy i Eorôpa noho izy ireo tany mitohy dia antsoina hoe Eorazia. Manana velarana 43 810 582 km2 i Azia ka izy no be velarana indrindra amin' ny kôntinenta rehetra. Izy koa no be mponina indrindra (4,3 lavitrisa: 60 % amin' ny mponina eran-tany). Ao no ahitana ny tendrombohitra avo indrindra, dia i Everest, izay mahatratra 8 848 m.

Ny misy an' i Azia eto amin' izao tontolo izao
Sarin-tanin' i Azia

Mifanjohy mankany Ôseania ny nosy sy ny tamba-nosy ao atsimo-atsinanana: anisan' izany ny vondro-nosy Filipina sy ny vondro-nosy Indônezia (i Somatra sy i Java ary i Solaoesy), i Bôrneô ary i Ginea Vaovao. Ao avaratra atsinanan' i Azia no ahitana ny vondro-nosin' i Japàna sy ny nosy Sakalina. Ao amin' ny Ranomasimbe Indiana no misy ny nosy Srilanka sy ny tamba-nosy madinika toa ny an' i Maldiva sy ny nosy Andamàna sy Nikôbara.

Ny faritra ao Azia

hanova

Ny faritra ao Azia araka ny famaritan' ny Firenena Mikambana

hanova

Araka ny falaritan' ny Firenena Mikambana dia mizara faritra i Azia, dia i Azia Avaratra, i Azia Afovoany, i Atsinanana Afovoany, i Azia Atsimo, i Azia Atsinanana, ary i Azia Atsimo-Atsinanana.

Azia Avaratra

hanova
 
Fizaràm-paritra any Azia

I Azia Avaratra dia faritra ao Azia izay ahitana an' i Siberia ny faritra Farany Atsinanana rosiana, ary indraindray koa i Môngôlia sy i Mantsoria izay atambatra amin' i Azia Atsinanana amin' ny ankapobeny.

Azia Afovoany

hanova

I Azia Afovoany dia faritra afovoan' ny kôntinenta aziatika izay mivelatra manodidina ny Ranomasina Kaspiana, ny Ranomasin' i Araly ary ny farihy Balkhach. Ny firenena ao Azia Afovoany dia i Kazakstàna, i Ozbekistàna, i Tajikistàna, i Torkmenistàna ary i Kirgizistàna.

Atsinanana Afovoany

hanova

I Atsinanana Afovoany dia ny faritra atsimo-andrefan' i Azia. Ireo firenena ao Azia Andrefana dia i Arabia Saodita, i Iràka, i Iemena, i Ômàna, i Iràna, i Siria, i Jôrdania, i Israely, i Palestina ary i Torkia.

Azia Atsimo

hanova

I Azia Atsimo dia faritra atsimo ao Azia izay mahafaoka an' i Afganistàna, i Bangladesy, i Botàna, i India, ireo nosy Maldiva, i Nepaly, i Pakistàna ary i Srilanka. Faritra be mponina indrindra eto an-tany i Azia Atsimo, izay onenan' olona miisa 1,9 lavitrisa tamin' ny taona 2019, izany hoe ampahefatry ny mponina maneran-tany.

Azia Atsinanana

hanova

I Azia Atsinanana dia faritra atsinanana ao amin' ny kôntinentan' i Azia. Ireto avy ireo firenena hita ao Azia Atsinanana: Sina, Kôrea Avaratra, Kôrea Atsimo, Japàna ary i Taioàna. Manampy azy ireo i Môngôlia (izay indraindray tao isan' i Azia Afovoany) sy i Vietnamy sy i Singaporo (noho ny antony ara-kolontsaina, atambatra matetika amin' i Azia Atsimo-Atsinanana), ny faritra rosiana Atsinanana Indrindra koa dia azo ampidirina ao. Matetika dia akambana amin' ny faritra Farany Atsinanana izy.

Azia Atsimo-Atsinanana

hanova

Ny Azia Atsimo-Atsinanana dia ny faritr' i Azia any atsinanan' i India ary any atsimon' i Sina. Ny firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana dia i Mianmara, i Tailandy, i Malezia, i Indônezia, i Filipina, i Vietnamy, i Laôsy, i Broney ary i Kambôdia.

Faritra hafa

hanova

Ny faritra hafa ao Azia

hanova

Faritra ara-tantara ao Azia

hanova


 
Azia

Jereo koa

hanova

Ireo kôntinenta

Lisitry ny firenena any Azia:

Fanjakana mbola misy olana: