Epistilin' i Paoly

(tonga teto avy amin'ny Epistily nosoratan' i Paoly)

Epistilin' i Paoly na Epistola nosoratan' i Paoly na Taratasy nosoratan' i Paoly no ilazana ny epistily (na epistola) telo ambin' ny folo ao amin' ny Testamenta Vaovao, ao amin' ny Baibolykristiana, izay lazaina fa nosoratan' i Paoly. Misy amin' izy ireo ny nosoratana ho ana fiangonana. Misy kosa ny nosoratana ho an' olona manokana, dia ireo atao hoe Epistily pastôraly. Ny epistily kanônika tsy nosoratan' i Paoly dia atao hoe Epistily katôlika.

Manoratra ny taratasiny i Paoly, sary nataon' i Valentin de Boulogne, taona 1618-1620.

Tsy niandry ela ny nampidirana tao amin' ny kanônan' ny Soratra Masina ireo epistily ireo. Nanomboka tamin' ny faran' ny taonjato voalohany, ny ankamaroan' ny fiangonana kristiana dia nampiasa ireo lahatsoratra ireo tamin' ny litorjiany.

Filaharana kanônika

hanova

Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia voalahatra avy amin' ny lava indrindra ka hatramin' ny fohy indrindra ireo epistily ireo.

Ao amin' ny Baiboly prôtestanta malagasy

hanova
Anarana amin' ny teny malagasy Anarana amin' ny teny grika Anarana amin'ny teny latina Fanafohezana
Lava Fohy
Epistily ho an' ny Romana Προς ’Ρωμαίους Epistula ad Romanos Rom Rm
Epistily voalohany ho an' ny Korintiana Προς Κορινθίους Α' Epistula I ad Corinthios 1 Kor 1 Ko
Epistily faharoa ho an' ny Korintiana Προς Κορινθίους Β' Epistula II ad Corinthios 2 Kor 2 Ko
Epistily ho an' ny Galatiana Προς Γαλάτας Epistula ad Galatas Gal Ga
Epistily ho an' ny Efesiana Προς ’Εφεσίους Epistula ad Ephesios Efes Ef
Epistily ho an' ny Filipiana Προς Φιλιππησίους Epistula ad Philippenses Fil Fil
Epistily ho an' ny Kolosiana Προς Κολοσσαείς Epistula ad Colossenses Kol Kol
Epistily voalohany ho an' ny Tesaloniana Προς Θεσσαλονικείς Α' Epistula I ad Thessalonicenses 1 Tes 1 Tes
Epistily faharoa ho an' ny Tesaloniana Προς Θεσσαλονικείς Β' Epistula II ad Thessalonicenses 2 Tes 2 Tes
Epistily voalohany ho an' ny Timoty Προς Τιμόθεον Α' Epistula I ad Timotheum 1 Tim 1 Tm
Epistily faharoa ho an' ny Timoty Προς Τιμόθεον Β' Epistula II ad Timotheum 2 Tim 2 Tm
Epistily ho an' ny Titosy Προς Τίτον Epistula ad Titum Tit Tt
Epistily ho an' ny Filemona Προς Φιλήμονα Epistula ad Philemonem Filem Fil

Fanasokajiaka ny epistily nosotan' i Paoly

hanova

Raha araka ny olona na ny vondron' olona nanoratana no heverina dia misy karazany roa ny epistily na taratasy nosoratan' i Paoly, dia ny epistily nosoratana ho ana fiangonana voatondro sy ny epistily nosoratana ho an' olona manokana.

Epistily nosoratana ho ana fiangonana voatondro

hanova
 
Sarintany maneho ny toerana nandefasana ny epistily paoliniana: Kôlôsia (Filemôna, Kôlôsiana), Tesalônika (Tesalôniana Voalohany, Tesalôniana Faharoa), Rôma (Rômana), Kôrinto (Kôrintiana Voalohany, Kôrintiana Faharoa), Galatia (Galatiana), Efesôsy (Efesiana, Timôty Voalohany, Timôty Faharoa), Filipy (Filipiana), Kreta (Titosy).

Ireto avy ny epistily nosoratana ho ana fiangonana:

Manalasala ny mpikaroka maro ny maha an' i Paoly ny fanoratana ny Epistily ho an' ny Hebreo (na Hebrio).

Epistily nosoratana ho an' olona manokana

hanova

Telo ny epistilin' i Paoly nosoratana ho an' olona manokana hikarakara sy hitarika ny fiangonana izay atao hoe Epistily pastôraly:

Amin' ny mpandinika Baiboly sasany ny Epistily ho an' i Filemôna dia anisan' ny Epistily pastôraly fa amin' ny hafa kosa dia tsy izany.

Fanasokajiana araka ny lohahevitra

hanova

Ny fanasokajiana atao eto dia mifototra amin' ny fotokevi-dehibe iompanan' ny taratasy na epistily tsirairay, ka efatra ny sokajy azo amin' izany nefa misy boky hita amin' ny sokajy ara-dohahevitra roa: ny epistily eskatôlôjika sy ny epistily ho an' ny fiainan' ny fiangonana ary ny epistily pastôraly,

Epistily eskatôlôjika

hanova

Maneho ny fanantenana kristiana sy ny fiandrasana ny fiverenan' i Kristy izay nampiavaka ny Fiangonana kristiana voalohany ireo epistily ireo.

Epistily ho an' ny fiainan' ny fiangonana

hanova

Miresaka ny amin' ny famonjena sy ny fiainan' ny Fiangonana ireto taratasin' i Paoly ireto.

Epistily pastôraly

hanova

Ny epistily pastôraly dia iresahan' i Paoly ny amin' ny fandaminana ny fiangonana. Izy ireo no atao hoe vavolombelon' ny fifandimbiasana apôstôlika izay nipoiran' ny fisian' ny eveka, izay heverin' ny fiangonana katôlika sy ôrtôdôksa ho mpandimby ny asan' ny apôstôly. Misy ny manohitra ny maha soratr' i Paoly ny epistily roa ho an' i Timôty.

Fanasokajiana ara-potoana

hanova

Epistilin' ny fifatorana

hanova

Ireo epistily ireo dia nosoratan' i Paoly tany am-pigadrana tao Kaisarea (na Kaisaria) sy tao Rôma. Maneho ny anjara asan' i Kristy amin' izao rehetra izao izy ireo. Misy ny olona izay mihevitra fa tsy i Paoly no nanoratra azy ireo fa mpianany nanohy ny teôlôjiany.

Ny epistilin' ny Paoly very

hanova

Misy taratasy nosoratan' i Paoly izay tsy ananana intsony nefa voalaza ao amin' ny epistiliny ao amin' ny Baiboly. Very ny taratasy nosoratany voalohany ho an' ny Kristiana tao Kôrinto izay voalaza ao amin' ny Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana (1Kor. 5:9)[1]. Very koa ny taratasy fahatelo nosoratany ho an' ny Kristiana tao Kôrinto izay voaresaka ao amin' ny Epistily faharoa ho an' ny Kôrintiana (2Kor. 2:4)[2]. Toraka izany koa ny taratasy voalohany nosoratany ho an' ny Kristiana tany Efesôsy (na Efezy) izay ampahatsiahiviny ao amin' ny Epistily ho an' ny Efesiana (Ef. 3:3-4)[3]. Toy izany koa ny taratasy nosoratany ho an' ny Kristiana tany Laôdikea (na Laôdikia) izay resahiny ao amin' ny Epistily ho an' ny Kôlôsiana (Kôl. 4:16)[4].

Inty ny lisitr' ireo epistily very ireo:

Jereo koa

hanova

Tsiahy:

hanova
  1. "Nanoratra taminareo teo amin'ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin'izay mpijangajanga" (1Kor. 5.9)
  2. "Fa tamin'ny haben'ny fahoriana sy ny alahelon'ny foko no nanoratako taminareo tamin'ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra." (2Kor. 2.4)
  3. "(...) fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo. Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin'i Kristy." (Ef. 3.3-4).
  4. "Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin'ny fiangonan*'ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana." (Kol. 4.16).