Aller au contenu

Fanandroana malagasy

Avy amin'i Wikipedia
Ny toerana misy ny orim-bintana eny amin' ny zoro sy ny rindrin-trano malagasy

Ny fanandroana malagasy dia endriky ny fanandroana ataon' ny mpanandro malagasy izay andinihany sy ampiharany ny fifandraisan' ny fotoana sy toerana isehoan' ny zavatra iray (fahaterahana, fanaovan-javatra, fisehon-javatra), amin' ny toerana sy ny toetran' ny zavatra eny amin' ny lanitra, indrindra ny Volana, ankilany (araka ny tetiandro malagasy) sy ny fifandraisan' izany amin' ny ho toetr' ilay olona teraka na ilay zavatra miseho na tiana hotanteraka. Resahina noho izany ny atao hoe vintana.

Ny fanandroana malagasy dia avy amin' ny fanandroana arabo. Noho izany, ny volana tsirairay ao amin' ny tetiandro malagasy mampiasa teny arabo nohagasina dia mitondra anaram-bintana (Alahamady, Adaoro, Adizaoza, Asorotany, Alahasaty, Asombola, Adimizana, Alakarabo, Alakaosy, Adijady, Adalo ary Alohotsy[1] [2]), ny andro tsirairay ao amin' ny volana dia mitondra anaram-bintana koa, toy izany koa ny fizaràn' ny andro tsirairay. Tsy ny volana ihany fa ny zavatra rehetra dia manam-pifandraisana amin' ny vintana, indrindra fa ny lafin-tany (avaratra, atsinanana, atsimo, andrefana, sns) sy ny "singa efatra" (rano, rivotra, tany, afo) izay itsinjaran' ny orim-bintana roa ambin' ny folo. Raha ny marina dia anaran' ny antokon-kintan' ny zôdiaka amin' ny teny arabo nohagasina ny anaram-bintana malagasy nefa efa tsy mifanandrify amin' ny fotoana iheverana ny antokon-kintana mitovy anarana aminy ny volana malagasy.

Ao amin' ny fanandroana malagasy dia misy lanjany eo amin' ny fivoasana ny vintana koa ny andro ao amin' ny herinandro (alakamisy, zoma, asabotsy, sns) izay mety ho tsara na ratsy arakaraka ny zavatra tian-katao. Ambaran' ny mpanandro malagasy fa mamaritra ny toetra sy ny hoavin' ny olona ateraka na ny zavatra tanterahina tandrify azy ny vintana nefa azo ovana izany amin' ny alalan' ny fanalana vintana na fanalana faditra[3] raha ratsy ka atahorana hitera-doza io vintana io.

Ankehitriny dia mbola maro ny Malagasy mitady hevitra amin' ny mpanandro, eny fa na ny olona sasany izay efa nandray finoana hafa na dia manameloka izany ny fivavahana arahiny.

Ny fiaviana sy fielezan' ny fanandroana malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ny fanandroana malagasy dia avy amin' ny fanandroana arabo, izay avy amin' ny fanandroana grika, ity indray dia avy amin' ny fanandroana babilôniana sy egiptiana. Ny Arabo (izay antsoin' ny Malagasy hoe Talaotra na Antalaotra) no heverin' ny maro fa nitondra ny fanandroana teto Madagasikara[4] [5].

Araka ny finoan-drazana malagasy dia lova avy amin' ny ray aman-dreny na talenta avy amin' ny Zanahary ny fanandroana. Ilain' ny Nataolo malagasy ny manontany mpanandro alohan' ny hiterahana, hanamboarana trano na fasana, hanaovana hasoavana na fanambadiana, hisantatra na hitokana zavatra, handevina sns.

Fanao andavanandro teto Madagasikara ny fankanesana any amin' ny mpanandro teo amin' ireo andriana tamin' ny taonjato faha-18 sy faha-19. Tao Imerina teo antenatenan' ny taonjato faha-19 dia nahay nanandro ny iray ampahatelon' ny olona[6].

Ny vintana

[hanova | hanova ny fango]
Tsinam-bolana

Singa manan-danja indrindra eo amin' ny fanandroana malagasy ny vintana. Ireto avy ny anaram-bintana amin' ny fanandroana malagasy izay sady anaran' ny volana malagasy avy amin' ny teny arabo: Alahamady, Adaoro, Adizaoza, Asorotany, Alahasaty, Asombola, Adimizana, Alakarabo, Alakaosy, Adijady, Adalo ary Alohotsy[7] [8]. Ankehitriny dia mbola iadian-kevitra ny fotoana mifanandrify amin' ny volana tsirairay noho ny fahasamihafam-piheverana misy eo amin' ireo milaza tena fa manam-pahaizana momba ny tetiandro malagasy.

Sokajim-bintana sy fifanadraisan' ny vintana

[hanova | hanova ny fango]

Atsidika hatrety amboalohany fa ny teny malagasy hoe vintana dia avy amin' ny teny indoneziana hoe bintang izay midika hoe "kintana". Lasa tsy dia mifandray loatra amin' ny kintana abefa ny fanandroana malagasy taty aoriana fa amin' ny Volana, hadino ny fiavian' ilay teny. Ny hoe vintana dia tsy manondro kintana intsony fa fizaram-potoana ao anatin' ny iray taona na iray volana na iray andro na fizaran' ny erana manodidina.

Renivintana sy zanabintana

[hanova | hanova ny fango]

Ny vintana tsirairay dia naorin' ny Ntaolo malagasy amin' ny zoron-trano sy ny rindrin-trano na amin' ny lafin-tany, ka atao hoe renivintana ny vintana miorina amin' ny zoron-trano na amin' ny lafin-tany mifanandrify amin' ny zoron-trano, fa zanabintana kosa ireo vintana miorina amin' ny rindrin-trano na ny lafin-tany mifanandrify amin' izany.

Ireto avy ny renivintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

  • ny Alahamady izay miorina amin' ny zoro na lafin-tany avaratra atsinanana;
  • ny Asorotany, izay miorina amin' ny zoro na lafin-tany atsimo atsinanana;
  • ny Adimizana, izay miorina amin' ny zoro na lafin-tany atsimo andrefana; ary
  • ny Adijady, izay miorina amin' ny zoro na lafin-tany avaratra andrefana.

Ireto kosa ny zanabintana miisa valo:

  • ny Adaoro, izay miorina amin' ny tapany avaratra amin' ny rindrina atsinanana;
  • ny Adizaoza, izay apetraka eo amin' ny tapany atsimo amin' ny rindrina atsinanana;
  • ny Alahasaty, izay miorina amin' ny tapany atsinanana amin' ny rindrina atsimo;
  • ny Asombola, izay miorina amin' ny tapany andrefana amin' ny rindrina atsimo;
  • ny Alakarabo, izay miorina amin' ny tapany atsimo amin' ny rindrina andrefana:
  • ny Alakaosy, izay miorina amin' ny tapany avaratra amin' ny rindrina andrefana;
  • ny Adalo, izay miorina amin' ny tapany andrefana amin' ny rindrina avaratra;
  • ary ny Alohotsy, izay miorina amin' ny tapany atsinanana amin' ny rindrina avaratra.

Renivintana mibaby sy mitrotro zanabintana

[hanova | hanova ny fango]

Ny vintana roa mialoha sy manaraka ny renivintana iray dia zanabintan' ity renivintana ity, ka ilay mialoha azy dia lazaina fa "babeny" ary ilay manaraka azy dia atao hoe "trotroiny". Noho izany, ny Alahamady mitrotro ny Adaoro, ny Asorotany mitrotro ny Alahasaty, ny Adimizana mitrotro ny Alakarabo, ary ny Adijady mitrotro ny Adalo. Alahamady mibaby ny Alohotsy, ny Asorotany mibaby ny Adizaoza, ny Adimizana mibaby ny Asombola, ary ny Adijady mibaby ny Alakaosy.

Vintana mifanoto na mifanohitra na mifandratra

[hanova | hanova ny fango]

Ny vintana iray eo amin' ny zoron-trano na lafin-trano iray sy ny vintana iray hafa izay eo amin' ny zoron-trano na lafin-trano mifanatrika amin' io (manome zoro 180°) dia lazaina hoe "mifandratra"[9]. Tsy maintsy renivintana no mifandratra amin' ny renivintana. Ny zanabintana trotroina dia tsy maintsy mifandratra amin' ny zanabintana trotroina, ary ny zanabintana babena dia tsy maintsy mifandratra amin' ny zanabintana babena. Noho izany, ny Alahamady mifandratra amin' ny Adimizana, ny Adaoro mifandratra amin' ny Alakarabo, ny Adizaoza mifandratra amin' ny Alakaosy, ny Asorotany mifandratra amin' ny Adijady, ny Alahasaty mifandratra amin' ny Adalo, ary ny Asombola mifandratra amin' ny Alohotsy.

Vintana mifandratra
Alahamady Adimizana
Adaoro Alakarabo
Adizaoza Alakaosy
Asorontany Adijady
Alahasaty Adalo
Asombola Alohotsy

Vintana mitanila na miarina

[hanova | hanova ny fango]

Lazaina fa "mitanila" na "miarina" eo amin' ny zanabintana roan' ny renivintana mifandratra aminy ny ny renivintana. Ny zanabintana dia mitanila na miarina eo amin' ny renivintana mifandratra amin' ny renivintana mibaby na mitrotro azy.

Ny tonon' andro sy ny fitetezanana andro

[hanova | hanova ny fango]

Vava, vonto, vody

[hanova | hanova ny fango]

Mitondra tonon' andro telo izay antsoina hoe "vava" (na "vavany") sy "vonto" ("vontony") ary "vody" (na "vodiny") ny renivintana. Ny zanabintana kosa dia tsy mitondra afa-tsy tonon' andro roa "vavany" sy "vodiny". Ao anatin' ny iray volana dia mifanarakaraka araka ny filaharany ny vintana ka ny vavan' ny vintana mitovy anarana amin' ny volana diavina no anombohana (ohatra, vava Alahamady); andro ahatsinanan' ny Volana izany. Ninoan' ny Ntaolo malagasy fa mahery kokoa ny vavany raha mitaha amin' ny vontony sy ny vodiny, izany hoe eo amin' ny vavavy no mahatanteraka ny toetra ahafantarana indrindra ilay vintana, fa malefaka na foana izany amin' ny vontony sy ny vodiny.

Toy izao, ohatra, ny fifandimbiasan' ny tonon' andro ao amin' ny volana Alahamady[10]:

  1. Vava Alahamady
  2. Vonto Alahamady
  3. Vody Alahamady
  4. Vava Adaoro
  5. Vody Adaoro
  6. Vava Adizaoza
  7. Vody Adizaoza
  8. Vava Asorotany
  9. Vonto Asorotany
  10. Vody Asorotany
  11. Vava Alahasaty
  12. Vody Alahasaty
  13. Vava Asombola
  14. Vody Asombola
  15. Vava Adimizana
  16. Vonto Adimizana
  17. Vody Adimizana
  18. Vava Alakarabo
  19. Vody Alakarabo
  20. Vava Alakaosy
  21. Vody Alakaosy
  22. Vava Adijady
  23. Vonto Adijady
  24. Vody Adijady
  25. Vava Adalo
  26. Vody Adalo
  27. Vava Alohotsy
  28. Vody Alohotsy

Raha mbola tsy maty ny Volana na mbola tsy miseho ny tsinam-bolana vaovao dia mitohy ny fitetezana andro ao amin' ny volana Alahamady ka miampy vava Alahamady faharoa (andro faha-29) izany, na hatramin' ny vonto Alahamady faharoa (andro faha-30).

Isan' ny andro ao anatin' ny iray volana

[hanova | hanova ny fango]

Ny ao anatin' ny iray volana malagasy dia mety misy 28 hatramin' ny 30 andro. Ny 29 sy ny 30 andro no matetika indrindra satria maharitra 29 andro sy 12 ora ary 44 minitra ny tsingerim-pihodinan' ny Volana amin' ny Tany. Raha misy 28 andro ny iray volana dia mifarana amin' ny vodin' ny vintana mitovy anarana amin' ny volana eo aloha ny volana diavina (ohatra, mifarana amin'ny vody Alohotsy, raha ny volana Alahamady no diavina). Raha tsy tsinana ny Volana alohan' ny mitataovovonan' ny faha-29 andro dia lasa misy 29 andro ny iray volana ka mifarana amin' ny vavan' ny vintana mitovy anarana aminy io volana diavina io (ohatra, mifarana amin' ny vava Alahamady, raha ny Alahamady no volana diavina). Fa raha mbola tsy tsinana ihany ny Volana amin' ny faha-30 andro dia misy 30 andro ny iray volana ka mifarana amin' ny vodiny na ny vonton' ny vintana mitovy anarana aminy io volana diavina io, ka vodiny raha zanabintana fa vontony raha renivintana.

Isan' ny andro ao anatin' ny iray taona

[hanova | hanova ny fango]

Raha misy 29 na 30 andro ny ao anatin' ny fe-potoana itsingerenan' ny Volana, misy 354 na 355 andro kosa ny iray taona raha manara-bolana tanteraka.

Ny toetra ankapoben' ny tonon' andro

[hanova | hanova ny fango]

Vintana tsara sy vintana ratsy

[hanova | hanova ny fango]

Misy "tsara" sy "ratsy" ny vintana na ny tonon' andro[9]. Arakaraka ny zavatra kasaina hatao no mety hahatsara na haharatsy ny tonon' andro iray, na dia mety ho tsara na ratsy amin' ny ankapobeny aza. Ohatra, ny vintana Alakaosy dia vintana malaza ho ratsy, nefa andro tsara anandratana ody ny tsinam-bolan' ny volana Alakaosy (vava Alakaosy) izay atao hoe Alakaosibe. Na dia vintana ratsy amin' ny ankappobeny aza ny Alahasaty dia heverina fa tonon' andro tsara ny vody Alahasaty satria ny zaza teraka amin' io dia ho tratra antitra ary tonon' andro tsara ho fisantaran-javatra sy fampakaram-bady koa ny amin' io.

Vintana mahery sy vintana maivana

[hanova | hanova ny fango]

Misy koa ny tonon' andro na vintana mahery na maivana. Ny renivintana rehetra dia inoana fa vintana mahery. Misy koa anefa zanabintana inoana fa mahery. Malaza ho vintana mahery indrindra ny Alahamady (renivintana) sy ny Alakaosy (nefa zanabintana). Vintana mahery ihany koa ny Adizaoza (zanabintana) sy ny Asorotany (renivintana) sy ny Adimizana (renivintana) ary ny Adijady (renivintana). Ny Alohotsy dia inoana ho vintana maivana.

Ny orim-bintana roa ambin' ny folo

[hanova | hanova ny fango]

Alahamady

[hanova | hanova ny fango]

Ny Alahamady no volana sy vintana voalohany amin' ny fanandroana. Renivintana ny Alahamady. Ny zoro avaratra-atsinana amin' ny trano no toerana omena azy. Io zoro io dia atao hoe zorofirarazana koa. Ny faritra na tanàna ao avaratra-atsinanan' ny tanàna iray dia atao hoe "Alahamadin-tany" ho an' io tanàna faharoa io[11]. Ny vava Alahamady ao amin' ny volana Alahamady dia atao hoe Alahamadibe.

Inoana ho vintan' andriana sady vintana maha mpanjaka ny Alahamady. Ny Alahamady no vintana mahery indrindra[12]. Andro mahery ny vava Alahamady ka ny zaza teraka amin'io dia alam-bintana fandrao misavika ny andriana, ka raha ankohonan' ny Andriana dia tsy avela hiara-mitoetra aminy. Ny olona teraka vonto Alahamady dia ampitehirizina amponga telon-jehy sy ampiompina gisa fotsy mivady mba ho tratra antitra. Tonon' andro tsara ny vody Alahamady ka ny olona teraka amin' io dia ho tonga lehibe sy hanan-karena ary ho tratra antitra.

Ny Adaoro no vintana sy volana faharoa. Zanabintana ny Adaoro. Ny tapany avaratra amin' ny rindrin-trano atsinanana no toerana omena azy[13]. Lazaina fa mifandratra amin' ny Alakarabo sady mihataka sy miarina eo amin' ny Adimizana ny Adaoro.

Ny olona teraka vava Adaoro dia atahorana amin' ny afo ka tsy maintsy alam-bintana amin' ny alalan' ny fitondran-dreniny azy mandositra avy anaty trano tomboka kely nodorana. Ny olona teraka vody Adaoro dia tsara vintana, ka raha lahy dia hahay mikabary fa raha vavy kosa dia ho tsara fanahy.

Vintana sy volana fahatelo ny Adizaoza. Zanabintana ny Adizaoza. Ny toerana omena azy dia ny tapany atsimo amin' ny rindrin-trano antsinanana. Eo amin' ny Adizaoza no fitoeran'ny sinibe ao an-trano[14]. Ny Alakaosy no mifandratra amin' ny Adizaoza izay miarina eo amin' ny Adijady.

Izay olona mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, sns., nefa sendra mifandratra amin' ny vintany ny andro tsara fanaovana izany, dia ny Adizaoza no tokony hofidiny, fa io tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka hampateza ny zavatra kasaina hatao. Amin' ny ankapobeny dia vintana mahery ny Adizaoza. Tonon' andro mahery ny vava Adizaoza ka ny olona teraka eo dia miozanozana sy sahozanina raha tsy alam-bintana, ka ho lasa mahantra rehefa lehibe. Ny vody Adizaoza dia malefaka kokoa, ka ny vehivavy teraka amin' izany dia ho maro anaka nefa malahelon-karena, fa ny lehilahy kosa tsy hambinina amin' ny fihariana.

Asorotany

[hanova | hanova ny fango]

Vintana sy volana fahefatra ny Asorotany. Renivintana ny Asorotany. Ny zoron-trano atsimo-atsinana no toerana omena azy[15]. Mifandratra amin' ny Adijady nefa mitanila sy miarina eo amin' ny Alakaosy sy Adalo izy.

Andro mahery ny Asorotany. Atahorana no maty kely ny zaza teraka amin' ny vava Asorotany, fa raha tsy izany dia ho tratra antitra ihany izy, nefa amin' izany tsy tezain' ny ray aman-dreniny izy fa omena ho tezain' ny havana. Ho tratra antitra ny olona teraka vonto Asorotany. Atahorana ho maty kely ny olona teraka vody Asorotany, ka raha tsy maty izy dia hanan-karena sy holava andro iainana.

Alahasaty

[hanova | hanova ny fango]

Ny Alahasaty no vintana sy volana malagasy fahadimy. Zanabintana ny Alahasaty. Ny tapany atsinanana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy[16]. Mifandratra amin' ny Adalo sy miarina eo amin' ny Adijady ny vintana Alahasaty.

Lazaina ho vinta-mpamosavy sy andron' ody ny Alahasaty. Ny olona teraka vava Alahasaty dia mety ho mpamosavy na ho mpitana ody mahery raha teraka misasaka alina. Tonon' andro tsara anandratana ody sy sampy ny vava Alahasaty ka tsy tsara anaovana zavatra hafa. Ny olona teraka vody Alahasaty dia ho tratra antitra. Tonon' andro tsara ho fisantarana zavatra sy fampakaram-bady ny vody Alahasaty.

Vintana sy volana fahenina ny Asombola. Zanabintana ny Asombola. Ny tapany andrefana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy[17]. Mifandratra amin' ny Alohotsy sy miarina eo amin' ny Alahamady ny vintana Asombola.

Vintam-bola sy vintan' ny olona tia harena ny Asombola. Ho mpivarotra ary hahazo volabe ny zazalahy teraka vava Asombola. Ny zazavavy kosa ho mpanao taozavatra sy ho mpila harena. Ho mpila vola sy hanan-karena ny zaza teraka vody Asombola.

Adimizana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Adimizana no vintana sy volana fahafito. Renivintana ny Adimizana. Ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena azy[18]. Ny Adimizana dia mifandratra amin' ny Alahamady sady mitanila sy miarina eo amin' ny Alohotsy sy ny Adaoro.

Vintana mahery ny Adimizana nefa mety ho tsara na hahafaty mbola kely. Ho mpivarotra sy mpandranto ny zazalahy teraka vava Adimizana. Ny zazavavy kosa dia atahorana ho maty kely nefa mety ho tratra antitra sy hanan-karena. Tonon' andro tsara ny vonto Adimizana ka ny zaza teraka eo dia ho mpanan-karena sy tsy maty vonoina. Ny vody Adimizana dia tononandro tsara ka ny zaza teraka eo dia ho tratra antitra raha tsy maty kely.

Alakarabo

[hanova | hanova ny fango]

Ny Alakarabo no vintana sy volana fahavalo. Zanabintana ny Alakarabo. Ny tapany atsimo amin' ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy[19]. Miarina eo amin' ny Alahamady sady mifandratra amin' ny Adaoro ny vintana Alakarabo.

Vintana tsara ny Alakarabo satria androm-bokatra. Tokony isoronana akondro vokatra ny olona teraka amin' ny vava Alakarabo amin' ny maha vintam-bokatra azy. Ny zazavavy teraka vava Alakarabo dia ho maro anaka fa ny zazalahy kosa ho tratra antitra. Ho maro anaka ihany koa ny zazavavy teraka vody Alakarabo ary ny zazalahy ho tratra antitra.

Ny Alakaosy dia vintana sy volana fahasivy ao amin' ny fanandroana sy tetiandro malagasy. Zanabintana ny Alakaosy. Ny tapany avaratra amin' ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy[20]. Mifandratra amin' ny Adizaoza ny Alakaosy sady miarina sy miandriana eo amin' ny Asorotany ny Alakaosy.

Vintana mahery indrindra ny Alakaosy. Raha tsy alam-bintana ny zaza teraka eo dia atahorana hahafaty izay lehibe noho izy ka ahohoka ho faty. Amin' ny vava Alakaosy amin' ny volana Alakaosy no andro fanandratana ody sy sampy. Manao sorona ny mpitahiry ody mahery sy sampy. Ny vehivavy mbola tokony hiteraka dia tsy mihinan-kanina amin' ny vava Alakaosy mba tsy hiteraka Alakaosy. Hanoto ray aman-dreny ny zaza teraka vava Alakaosy, ka ahohoka ho faty na alam-bintana mba ho tratra antitra sy ho lehibe ary ho mpanan-karena. Tsy mifankaiza firy amin' ny vava Alakaosy ny vody Alakaosy. Tsy resy an' ady koa ny olona teraka Alakaosy.

Vintana sy volana fahafolo ny Adijady. Renivintana ny Adijady. Ny zoron-trano avaratra-andrefana no toerana omena azy[21]. Mifandratra amin' ny Asorotany sady mitanila sy miarina eo amin' ny Alahasaty sy ny Adizaoza ny Adijady.

Amin' ny ankapobeny dia vintana mafy ny Adijady ka tsara anorenana zavatra tiana hateza satria "mijadina mafy". Ny zavatra tian-ko mafy sy mateza no santarina amin' io andro io, toy ny fampidiram-pananana sy biby hompina ary vola hotehirizina. Tonom-bintana fanorenan-trano sy fampakaram-bady ny Adijady. Ny zaza teraka vava Adijady dia ho vitsy teny, noho izany dia tokony alam-bintana fandrao mijadina loatra ka tsy miteny. Heverina ho tsara vintana ny zaza teraka amin' ny vonto Adijady sy amin' ny vody Adijady.

Vintana sy volana fahiraika ambin' ny folo ny Adalo. Zanabintana ny Adalo. Ny tapany andrefana amin' ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy[22]. Mifandratra amin' ny Alahasaty sy miarina eo amin' ny Asorontany ny vintana Adalo.

Vintan-dranomaso sy alahelo ny Adalo. Atahorana ho maty kely ny zaza teraka vava Adalo. Ny zaza teraka vody Adalo dia tsara vintana ihany ka ho tratra antitra na dia manan-toetra malahelohelo aza.

Vintana sy volana faharoa ambin' ny folo ny Alohotsy. Zanabintana ny Alohotsy. Ny tapany antsinana amin' ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy[23]. Mifandratra amin' ny Asombola sy miarina eo amin' ny Adimizana ny vintana Alohotsy.

Atao hoe volam-padina ny volana Alohotsy noho izy iomanana amin' ny "Asaramanitra" (izany hoe ny Alahamadibe). Tandremana mafy mba tsy haràtra amin' ny hety na antsy ny zazamadinika fa tsy ho mety sitrana ka noho izay tsy alana volo na hoho na ampiasana zava-maranitra. Alevina mangingina ny olona maty ao amin' ny volana Alohotsy.

Vintan' olona tsy mahatombin-toerana ny Alohotsy. Andro maivana ny andro Alohotsy. Amin' ny vava Alohotsy sy ny vody Alohotsy dia tsy misy manao taozavatra. Raha hanorin-trano sy hampaka-bady amin' ny andro Alohotsy dia tsy maintsy misorona vatokaranana sy hazo harahara na famaho alevina eo atsinanan' ny andry avaratra tandrify ny Alohotsy mba tsy hihetsiketsika. Tsy ho marim-ponenana fa mifindrafindra na toerana na zavatra hafa ny zaza teraka vava Alohotsy. Ho salama ihany ny zaza teraka vody Alohotsy.

Ny vintana sy ny zôdiaka

[hanova | hanova ny fango]

Raha tiana ho azo ny fanandroana malagasy dia tokony havahana ny hoe antokon-kintana sy ny hoe vintana ary ny hoe tetiandro. Ny fifandraisana misy eo amin' ny antokon-kintan' ny zôdiaka sy ny vintana dia efa tsy hentintra intsony noho ny fanandroana sy ny tetiandro malagasy manara-bolana fa tsy manara-kintana na manara-masoandro tanteraka.

Raha manara-bolana tanteraka ny tetiandro malagasy dia tsy misy ifandraisany ny evan' ny zôdiaka na ny antokon-kintan' ny zôdiaka sy ny volana malagasy, afa-tsy ny fitovian' anarana. Na dia atao hoe manara-bolana sy masoandro aza ny tetiandro malagasy dia mbola tsy mifanandrify ihany ny volana malagasy sy ny antokon-kintan' ny zôdiaka mitovy anarana aminy.

Ity ny fifandraisan' ny anaram-bolana sy vintana malagasy amin' ny anaran' ny eva sy ny antokon-kintan' ny zôdiaka amin' ny teny latina[12].

Anaram-bolana

malagasy

Anaran' antokon-kintan' ny

zodiaka amin' ny teny latina

Dikany

ara-bakiteny

Alahamady Aries "ondrilahy"
Adaoro Taurus "ombilahy"
Adizaozo Gemini "kambana"
Asorotany Cancer "foza"
Alahasaty Leo "liona"
Asombola Virgo "virjina"
Adimizana Libra "mizana"
Alakarabo Scorpio "maingoka"
Alakaosy Sagittarius "mpitifitra tsipika"
Adijady Capricornus "osy-trondro"
Adalo Aquarius "mpandraraka rano"
Alohotsy Pisces "trondro"

Ny orim-bintana sy ny zavatra mifandray aminy

[hanova | hanova ny fango]

Ny orim-bintana sy ny singa efatra

[hanova | hanova ny fango]

Araka an' i Jobily Rakotoson[1] dia mifandray amin' ny fanandroana ny singa tsirairay, dia ny rano sy ny rivotra sy ny tany ary ny afo.

Atao hoe vintan' ny rano ny Asorotany sy ny Alakarabo ary ny Alohotsy. Vintan' ny rivotra kosa ny Adimizana sy ny Adalo ary ny Adizaoza. Vintan' ny tany ny Adaoro sy ny Adijady ary ny Asombola. Vintan' ny afo ny Alahamady sy ny Alahasaty ary ny Alakaosy.

Ny vazantany sy ny zoron-trano

[hanova | hanova ny fango]

Lafin-tany itoeran' ny vintana Adalo sy ny Alohotsy ny avaratra. Ny zoro avaratra-atsinana no zoron' ny Alahamady. Lafin-tany itoeran' ny vintana Adaoro sy Adizaoza ny atsinanana. Ny zoron-trano atsimo-atsinana no toerana omena ny Asorotany. Lafin-tany itoeran' ny vintana Asombola sy Alahasaty ny atsimo. Ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena ny Adimizana. Lafy itoeran' ny vintana Alakaosy sy Alakarabo ny andrefana. Ny lafin-tany avaratra-andrefana dia atao hoe Adijady ka ny lafin-trano avaratra-andrefana no omena azy.

Ny andro ao amin' ny herinandro

[hanova | hanova ny fango]

Tsy ny vintana mifandray amin' ny Volana sy ny kintana ihany no voakasiky ny fanandroana malagasy fa ny vanim-potoana rehetra hatramin' ny andro ao amin' ny herinandro sy ny fizaràn' ny andro, ka hatramin' ny fizaran-taona sy ny taona koa. Manan-danja ihany koa ny fizarazaran' ny andro iray, toy ny maraina sy ny tolakandro, ny andro sy ny alina, ny miposaka masoandro sy ny mitatao vovonana sy ny milentika masoandro sns.

Manomboka amin' ny filentehan' ny masoandro ny andro malagasy ary manomboka amin' ny andro Alakamisy ny herinandro. Ny iray volana ao amin' ny tetiandro malagasy dia misy 29 na 30 andro. Samy manana ny maha izy azy ireo andro ao amin' ny herinandro ireo. Ny fanaovan-javatra fa tsy ny fahaterahana loatra no tena itandreman' ny Ntaolo sy ny Malagasy ankehitriny ny fisafidianana ny andro.

Andro tsara sy andro ratsy ao amin' ny herinandro

[hanova | hanova ny fango]

Misy "tsara" sy "ratsy" ny andro ao amin' ny herinandro, sahala amin' ny tonon' andro, nefa arakaraka ny zavatra kasaina hatao no mety hahatsara na haharatsy ny andro iray na ny tonon' andro iray, na dia mety ho tsara na ratsy amin' ny ankapobeny aza ny andro na ny tonon' andro. Ohatra, ny andro Alarobia dia andro ratsy amin' ny ankapobeny nefa anisan' ny andro tsara andevenana ny amin' io; ny andro Alakamisy kosa dia heverina fa andro tsara amin' ny ankapobeny, nefa tsy tsara andevenana.

Mety hifanaraka na hifanohitra amin' ny tonon' andro mifanojo aminy ny andro iray ao amin' ny herinandro. Mifanohitra ny tonon' andro tsara sy ny andro ratsy, na ny tonon' andro ratsy sy ny andro tsara. Mifanampy kosa ny tonon' andro tsara sy ny andro tsara, na ny tonon' andro ratsy sy ny andro ratsy.

Raha mifanojo ny andro tsara (ohatra, ny Alakamisy) sy ny tonon' andro tsara (ohatra, ny Adijady) dia tsara indrindra io fotoana io. Raha mifanojo ny andro ratsy (ohatra, ny Alarobia) sy ny tonon' andro ratsy (ohatra, ny Adalo) dia ratsy tanteraka izany fotoana izany ka tokony tsy amin' io no hanaovan-javatra, sarotsarotra ny fanalana faditra na ny fanalana vintana. Na dia tsara aza ny tonon' andro (ohatra, ny Adijady) nefa mifanojo amin' ny andro heverina fa andro ratsy (ohatra, ny Alarobia) dia foanana ny zavatra hatao na atao ihany fa ialohavan' ny fanalam-paditra. Na dia tsara koa aza ny andro (ohatra, ny Alakamisy) nefa ratsy ny tonon' andro (ohatra, ny Adalo) dia aleo ajanona ny zavatra tokony hatao na tanterahina ny fanalana vintana.

Ny andro fito ao amin' ny herinandro

[hanova | hanova ny fango]

Alakamisy

[hanova | hanova ny fango]

Andro voalohany ao amin' ny fanandroana sy tetiandro malagasy ny andro Alakamisy[2]. Ny teny hoe Alakamisy na Lakamisy na Kamisy dia avy amin' ny teny arabo hoe الخميس / al-khamīs izay midika hoe "ny fahadimy" ao amin' ny tetiandro silamo.

Araka ny finoan' ny Ntaolo malagasy, amin' ny ankapobeny, dia andro tsara ny Alakamisy fa manantena hisy. Andro fisantarana izay atao (fanorenan-trano, fivohan' ny tafika amin' ny ady) sy tsara anaovana fampakaram-bady ny Alakamisy. Tsy tsara andevenana ny andro Alakamisy.

Amin' ny Ntaolo malagasy dia andro faharoa ny andro Zoma. Ny teny hoe Zoma na Azoma na Joma dia avy amin' ny teny arabo hoe الجمعة / al-jum‘ah izay midika hoe "ny fahenina". Amin' ny ankapobeny dia andro mainty ny Zoma, araka ny finoan' ny Ntaolo malagasy, ka natokana handevenana.

Amin' ny Ntaolo malagasy dia andro fahatelo ny andro Asabotsy. Ny teny hoe Asabotsy na Sabotsy dia avy amin' ny teny arabo hoe السبت / as-sabt izay avy amin' ny teny hebreo hoe שָׁבַת / shabbat na avy amin' ny teny hebreo hoe shabbos, izay samy manondro ny andro Asabotsy sady midika hoe "andro fitsaharana" na "andro fialan-tsasatra". Amin' ny ankapobeny dia andro "mibontsina" ny Asabotsy, araka ny fivoasana sy ny finoan-drazana malagasy, ka natokana hitomaniana sy hamoizana ny maty.

Amin' ny Ntaolo malagasy dia andro fahefatra ny Alahady. Ny teny hoe Alahady na Lahady dia avy amin' ny teny arabo hoe الأحد / al-aḥad izay midika hoe "ny voalohany". Amin' ny ankapobeny dia andro mahery ny Alahady, raha ny finoan' ny Ntaolo malagasy azy, ka tsy azo andevenana ny marainany.

Alatsinainy

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny Ntaolo malagasy dia andro fahadimy ny Alatsinainy. Ny teny hoe Alatsinainy na Latsinainy na Tinainy dia avy amin' ny teny arabo hoe الإثنين / al-ithnayn izay midika hoe "ny faharoa". Amin' ny ankapobeny dia andro mafy sy mainty ny Alatsinainy, araka ny finoan-drazana malagasy. Tsy fisantaran-javatra io andro io, amin' ny maha andro mafy azy, fa andro fandevenana sy fanamafisan-javatra.

Amin' ny Ntaolo malagasy dia andro fahenina ny Talata. Ny teny malagasy hoe Talata na Atalata dia avy amin' ny teny arabo hoe الثلاثاء / ath-thulathā’, izay midika hoe "ny fahatelo". Amin' ny ankapobeny, amin'ny faritra maro eto Madagasikara dia tsy mety ny mamangy mana-manjo amin'ny andro Talata, araka ny finoan'ny Ntaolo malagasy. Andro tsara hivoahan'ny andriana na ny tafika ny andro Talata. Ataon'ny Ntaolo malagasy hoe "Talata gorobaka" ny andro Talata.

Andro fahafito ny andro Alarobia amin' ny Ntaolo malagasy. Ny teny malagasy hoe Alarobia na Larobia dia avy amin'ny teny arabo hoe الأربعاء / al-’arbi‘ā’ , izay midika hoe "ny fahefatra". Amin' ny ankapobeny, amin' ny Ntaolo malagasy dia andro ratsy ny Alarobia, araka ny fitenenana hoe "Alarobia tsy miverina". Natokana ho an' ny famoizana sy ny fandevenana ny Alarobia.

Olana eo amin' ny fanandroana malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ny fahamarinan' ny laharan' andro

[hanova | hanova ny fango]

Tsy isaina ho andro voalohany ao amin' ny volana ny tonon' andro iray raha tsy tsinana alohan' ny mitataovovonan' io andro io ny Volana. Miteraka fahasamihafana arakaraka ny faritra anaovana fanandroana izany satria tsy amin' ny 12 ora antoandro amin' ny famantaranandro araka ny hasin' ora ifanarahana izany. Ny mitataovovonana any amin' ny faritra atsinanana indrindra eto Madagasikara dia tsy mitataovovonana any amin' ny faritra andrefana. Raha tonon' andro vava Alahasaty amin' ny volana Alahasaty, ohatra, no mifanojo amin' ny andro Alatsinainy any andrefana, dia mety efa vonto Alahamady ny any atsinanana, raha ohatra ka manodidina ny mitataovovonana ny nahatsinanan' ny Volana. Mety hiteraka fahadisoana koa ny tsy fahitana ny fotoana ahafatesan' ny Volana na ahatsinanany noho ny fisian' ny rahona na orana na tendrombohitra manakona ka misakana ny fijerena izany, na noho ny hakamoan' ny mpanandro "mamono volana an-trano".

Fisian' ny tetiandro malagasy maro

[hanova | hanova ny fango]

Olana lehibe eo amin' ny fanandroana malagasy koa ny fisian' ny tetiandro malagasy maro, izay samy manana ny mpanohana azy, dia ny tetiandro manara-bolana, izay ahitana taona fohy kokoa noho ny an' ny tetiandro gregôriana ka mihemotra hatrany ny toerana misy ny volana ao aminy raha mitaha amin' ity farany, sy ny tetiandro manara-bolana sy masoandro izay mametraka hatrany ny volana Alahamady manandrify ny volana Marsa sy Avrily.

Raha lazaina ohatra fa teraka Alahamady ny mpanjaka sasany, na teraka Alakaosy ny olona sasany; dia ny Alahamady na Alakaosy araka ny tetiandro malagasy inona izany ?

Fijerin' ny fivavahana hafa ny fanandroana

[hanova | hanova ny fango]

Fijerin' ny fivavahana kristiana

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny ankapobeny dia manohitra ny fanandroana sy ny sikidy ny fivavahana kristiana eto Madagasikara na dia misy amin' ny Kristiana isam-batan' olona ny mbola mankany amin' ny mpanandro mba hamantara ny tokony hataony.

Ny hevitry ny katôlisisma

[hanova | hanova ny fango]

Mazava ny voasoratra ao amin' ny Katesizin' ny Fiangonana Katôlika (KFK) ny amin' ny fandavany ny fanandroana sy ny sikidy arty ny mazia araka izao:

"Tsy azo ekena avokoa ny sikidy amam-panandroana sy izay fomba rehetra miendrika izany: fangataham-bonjy amin' i Satàna na amin' ireo demony, fiantsoana ny maty na ireo fomba amam-pihetsika hafa misandoka ho "mahalala" ny hoavy. Ny fizahana vintana (horoscope), ny fanandroana atao amin' ny fandinihana ny antokon-kintana (astrologie), ny fanandroana amin' ny fijerena bika aman-tsipitsipika eo amin' ny felatanana (chiromancie), ny fanazavana ny fambara miseho, ny fanazavana ny vintana, anjara, lahatra, mosavy, ny faminaniana amin' ny fisehon-javatra mahazendana, ny fitadiavam-bonjy amin' ny mpamoha angatra; ireo rehetra ireo dia mirakitra hery mangeja eo amin' ny fotoana, eo amin' ny tantara ary farany eo amin' ny olombelona, sady koa mirakitra faniriana hihavana amin' ireo hery miafina. Ireo rehetra ireo dia zava-manohitra ny fitokiana an' Andriamanitra sy ny voninahiny ary ny fanajana Azy, izay tokony hotanterahintsika Aminy irery ao anatin' ny fahatahorana Azy amimpitiavana."[24].

Ohabolana momba ny fanandroana

[hanova | hanova ny fango]
  • Mahadidy maso mpanandro ary manoto azy milaza, fa mamitaka ny adala, ka aza manandro foana.
  • Mamono volana an-trano toa mpanandro tsy mahay.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Fanandroana

Hafa

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Fanovozan-kevitra

[hanova | hanova ny fango]
  • Jaovelo-Dzao R., Mythes, rites et transes à Madagascar, Angano et Tromba sakalava, Karthala et Ambozontany, 1996.
  • Beaujard P., Mythe et société à Madagascar (Tanala de l'Ikongo), Le chasseur d'oiseau et la princesse du ciel, Paris, L'Harmattan, 1991.
  • Antoine de Padoue Rahajarizafy, Filozofia malagasy, Editions Ambozontany Antananarivo, 2004.
  • Fivondronamben' ny Eveka eto Madagasikara (mpandika teny), Katesizin' ny Fiangonana Katôlika, Antananarivo, Madagasikara, 2009.

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Antoine de Padoue Rahajarizafy, Filozofia malagasy, 2005, p. 104.
  2. "Alahamady", Régis Rajemisa-Raolisona, Rakibolana malagasy, 1985, p. 49.
  3. Antoine de Padoue Rahajarizafy, Filozofia malagasy, 2005, p. 107.
  4. 'Ny Arabo izay tonga tany amorontsiraka atsinanana sy andrefana no isan’ ireo firenena mpiavy. Ny finoana mohamedianina izay naelin’ izy ireo no nanjary fanompoan-tsampy teto, nahatonga ny sikidy sy fanandroana, ny mosavy sy ny hitsak’ andro”. (Rainihifina, Lovantsaina II Tantara Betsileo, Ambozontany Fianarantsoa. 1975, p. 19)
  5. Antoine de Padoue Rahajarizafy, Filozofia malagasy, 2005, p. 91.
  6. Jobily Rakotoson, "L'art divinatoire, parole d'un sage" in Madagascar fenêtres, 2002, p.93.
  7. Antoine de Padoue Rahajarizafy, Filozofia malagasy, 2005, p. 104.
  8. "Alahamady", Régis Rajemisa-Raolisona, Rakibolana malagasy, 1985, p. 49.
  9. 9,0 et 9,1 Antoine de Padoue Rahajarizafy, Filozofia malagasy, 2005, p. 106.
  10. Antoine de Padoue Rahajarizafy, Filozofia malagasy, 2005, p. 105.
  11. "Alahamady", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.
  12. 12,0 et 12,1 Jobily Rakotoson, "L'art divinatoire, parole d'un sage" in Madagascar fenêtres, 2002, p.95.
  13. "Adaoro", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.
  14. "Adizaoza", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.
  15. "Asorotany", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.
  16. "Alahasaty", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.
  17. "Asombola", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.
  18. "Adimizana", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.
  19. "Alakarabo", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.
  20. "Alakaosy", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.
  21. "Adijady", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.
  22. "Adalo", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.
  23. "Alohotsy", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.
  24. "Tsy hanana andriamanitra hafa eo anatrehako ianao", ao amin' ny Katesizin' ny Fiangonana Katôlika, p. 572.