Salamo faha-13
Apparence
Ny Salamo faha-13 na Salamo 13 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly. Ity salamo ity dia salamo fitarainan' olon-tokana amin' Andriamanitra. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky voalohany" (Sal. 1 - 41) ity salamo ity.
Dikan-teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Dikan-teny protestanta
[hanova | hanova ny fango]- Ho an' ny mpiventy hira. Salamo nataon' i Davida. Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?
- Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan' andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan' ny fahavaloko ho amboniko?
- Jereo aho ka valio, JehovahAndriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;
- Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.
- Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin' ny famonjenao ny foko.
- Hihira ho an' i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;
Dikan-teny katôlika
[hanova | hanova ny fango]- Ho an' ny mpampianatra hira. Hiran' i Davida.
- Ry Iaveh ô, mandra-pahoviana no hanadinoanao ahy, mandra-pahoviana no hanafenanao ny tavanao amiko?
- Mandra-pahoviana no hamoromporon-kevitra ao amin' ny fanahiko aho, ary dia ho feno alahelo isan' andro ny foko? Mandra-pahoviana no hitsanganan' ny fahavaloko mamely ahy?
- Jereo, mba valio aho, ry IavehAndriamanitro ô! Omeo fahazavana ny masoko mba tsy ho renoky ny torimaso fahafatesana aho,
- mba tsy hanaovan' ny fahavaloko hoe: Resiko izy! ka tsy hifalian' ny mpanohitra ahy, mahita ahy mangozohozo.
- Raha izaho, dia ny hatsaram-ponao no itokiako; ny famonjenao no hientanan' ny foko, hihira ho an' ny Tompo aho, noho ny soa nataony tamiko.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
- Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
- Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
- Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
- Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.
- Salamo apôkrifa: Salamo faha-151 - Salamo faha-152 hatramin' ny faha-155.