Toekaren' i Oganda
Ny toekaren' i Oganda dia miompana amin' ny fambolena (80 % amin' ny mponina miasa), indrindra fa ny voly kafe; mivoatra tsikelikely izy io na dia eo aza ny toe-draharaham-paritra matetika tsy mahafa-po. Tsy manana morontsirka i Oganda sady tsy firy ny harena an-kibon’ ny tany ao aminy.
Fambolena sy fiompiana ary jono
[hanova | hanova ny fango]Fambolena
[hanova | hanova ny fango]Lohalaharana ny fambolena izay sahanin’ ny efatra ampahadimin’ ny mponina afaka miasa, sady miantoka ny 57 %n’ ny harin-karem-pirenena faobe. Ny voly fihinana toy ny mangahazo sy ny tsaramaso no be mpisahana indrindra.
Ny landihazo sy ny kafe no voly fanondrana sady misahana ny 90 %n’ ny vola miditra amin’ ny alalan’ ny fanondranana entana isan-taona. Isan’ ireo firenena mpanondrana kafe be indrindra maneran-tany koa izy izay laharana faha-11 maneran-tany ary laharana faha-2 manerana an’ i Afrika tamin’ ny taona 2010 (ao aorian’ i Etiôpia). Laharana faha-2 manerana an’ i Afrika koa izy amin’ ny famokarana dite manaraka an’ i Kenia. Mamokatra fary sy landihazo (na hasy) ary vomanga koa i Oganda.
Fiompiana
[hanova | hanova ny fango]Ny biby fiompin’ ny Ogandey dia ahitana akoho amam-borona miisa 19 000 000 sy omby miisa 7 000 000 ary osy miisa 8 000 000 ary ondry miisa 1 600 000.
Jono
[hanova | hanova ny fango]Ny fampandrosoana ny asa fiompiana trondro dia zava-dehibe mety hanampy ny fampandrosoana ny teokarea ao Oganda, ka eo amin' ny moron' ny farihy Victoria sy ny farihy Albert, indrindra ny jono ao amin' ny ony Nil.
Angovo sy harena an-kibon' ny tany ary taozavatra
[hanova | hanova ny fango]Harena an-kibon' ny tany
[hanova | hanova ny fango]Mamokatra akoranafo i Oganda ao amin’ ny farihy Albert ka solitany ny ankamaroan’ izany izay mahatratra 10 000 barily isan’ andro. Misy solitany ny ao amin’ ny farihy Albert. Misy koa ny varahina sy ny kôbalta izy mbola tsy misy mpitrandraka.
Angovo
[hanova | hanova ny fango]Manana otrik’ angovon-drano lehibe, izay miantoka ny famokarana herin’ aratra, i Oganda. Mamokara herin’ aratra ny tohadrano eo amin’ ny rian-dranon’ i Owen eo amin’ ny onin’ i Nily.
Taozava-baventy
[hanova | hanova ny fango]Ny taozava-baventy izay mivangongo ao amin’ ny toerana voafaritry ny telolafy Jinja-Kampala-Toroo dia mifantoka indrindra amin’ ny famokarana zava-pihinana avy amin’ ny fambolena. Tamin’ ny taona 2003 dia ny 7,6 %n’ ny mponina afaka miasa no nisahana izany.
Ny famokarana kitay dia any amin’ ny 15 000 000 m³ ka ny 85 % dia ampiasaina amin’ ny fadrahoana sakafo. Ny hazo fanaovam-panaka sy fanorenana aondrana any ivelany dia ny akazo.
Fifanakalozana sy fitaterana
[hanova | hanova ny fango]Fanondranana sy fanafarana etana
[hanova | hanova ny fango]Ny mizana ara-barotra dia mitontongana any amin’ ny trosa. Ny vokatra fanondrana voalohany dia ny kafe. Manondrana landihazo sy dite maro koa i Oganda. Avy any amin’ ireo firenena mandroso ny ankamaroan’ ny entana hafaran’ i Oganda, ka isan’ izany ny lamba sy ny entana momba ny tao vy ary ny kojakoja momba ny fitaovam-pitaterana. I Kenia, i Etazonia, i Britaina Lehibe ary i Alemaina onmpiara-miombona antoka ara-barotra amin’ i Oganda.
Fitaterana
[hanova | hanova ny fango]Vakivakin’ ny arabe mirefy 8 000 km sy lalan-kely mirefy 22 100 km i Oganda. Mirefy 259 km ny lalam-by izay mampitohy an’ i Oganda amin’ i Kenia mankany amin’ ny Ranomasimbe Indiana. Misy sambo maro mivoivoy eny amin’ ny farihy Victoria sy miantoka ny fifandraisana amin’ ireo seranan-tsambon’ i Kenia sy i Tanzania. Ny orinasam-pirenena misahana ny fitaterana ana habakabaka dia ny Uganda Airlines izay manala fahasahiranana ny ao Entebbe indrindra. Tamin’ ny taona 1997 dia namorona pasipaoro (fahazoan-dalana) iraisana ho an’ ny mponin’ izy ireo i Oganda sy i Kenia ary i Tanzania mba hampandrosoana ny fampiraisana ny toekarena ao amin' ny faritry ny Farihy Lehibe izay nokendrena ho tanteraka tamin’ ny taona 2000.
Mampiavaka an' i Oganda ny fitaterana amin' ny alalan' ny môtô nohalavaina atao hoe boda-boda.