Aller au contenu

Voasary

Avy amin'i Wikipedia
Voasary (Citrus maxima sy Citrus ×paradisi)

Ny voasary dia zavamaniry misy karazany maro toy ny laoranjy, ny mandarinina, ny voasarimakirana, ny pamplemosy, sns. Ny teny hoe voasary koa dia aondroana ny voan' ny voasary. Voankazo miavaka amin' ny ankamaroan' ny voankazo hafa rehetra ny voasary noho izy misy hasiny. Isan' ny zavamaniry be mpamboly maneran-tany ny voasary sady be dia be ny karazany.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Malaza ho avy any Namehana, ka tsy mitondra voasary ho an-jaza.
  • Raraka ivy alohan' ny mpamaky voasary.
  • Toy ny voasary: raha bangoina, iray fonosana ihany ; fa raha verahina, samy manana ny hasiny.
  • Voasary amoron-dalana: haka aho, tsy tompony; tsy haka, maha-te hihinana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]